<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>53</hymn_number>
<title>Havaoziko ilay voady FF53</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy ho toy izao, Jesoa
 Ity mpanomponao
 Raha toa tsy tao tokoa ny fahasoavanao
 'Zay nanohana 'lay hery kely tao am-poko
 Nahazoako mba nanao
 Ny asam-panompoako!

[C1]
   Indro fa havaoziko ry Jesoa
   'Lay voady miorina ao am-po
   Ny andro ivelomako
   'Zay omenao iainako
   Dia atokako sy mbola hitoriako ilay fitiavanao!

[V2]
 Ny asa izay natao,Jesoa,
 Dia tsapako ao am-po
 Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa
 Nefa na izany aza dia inoako koa
 Fa 'zay kely vitako hitera-boka-tsoa.
 Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...

[V3]
 Na ho lava na ho fohy
 Ny androko ety
 'Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia!
 Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty
 No hanafy herim-pitokiana mandra-maty!
 Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...</lyrics>
</song>